Notanterahina omaly, tao amin’ny kianja Malacam Antanimena, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby; diviziona faharoa, federaly II XXL Top 20. Nomontsanin’ny 3FAI Ambalavao Isotry, tamin’ny isa 48 no ho 20, ny Fbm Bemasoandro. Raha hiverenana ny fihaonana teny an-toerana, azo lazaina fa niady tanteraka ny fihaoanan’ny roa tonta, 15 minitra nanombohan’ny lalao. Taorian’ izay, nanjaka tanteraka ny avy atsy Ambalavao, ka 26 no ho 10 ny isa nentin’ny roa tonta niala sasatra, mitarika ny 3FAI.
Teo amin’ny fizaram-potoana faharoa, nahatonga baolina nentin-tanana telo indray ny ekipan’ny 3FAI, raha toa ka roa ihany ny an’ny mpilalaon’i Bemasoandro, ka lasa 48 no ho 20, niafaran’ity fifanandrinana ity. Resy ny FBM. Tombony ho an’ny ekipan’ny 3FAI, ny fisian’ireo mpilalao nandrafitra ny Makis seven. Anisan’ izany Rakotovao Tolojanahary sy Rakotomalala Salotra Lucas.
Tsara marihina fa mitohy hatrany ny fifanintsanana Top 20, eny Malacam, raha toa ka amin’ny 2 septambra ho avy izao, vao misy indray ny Top 12.
Fitia Randria