Cop11: fiarovana ny tontolo an-dranomasina

Hatao ny 20 hatramin’ny 22 aogositra ho avy izao, eny amin’ ny CCI Ivato, ny fivoriambe iraisam-pirenena mahakasika ny rafitry ny Firenena mikambana (Cop 11), araka ny fifanarahan’i Nairobi, momba ny fiarovana, ny fitantanana ary ny fampandrosoana ny tontolo iainana an-dranomasina sy ny morontsiraka. Voakasik’izany ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indiana sy ny tapany andrefana (OIO) ahitana an’i Madagasikara, Kaomoro, Kenya, Maorisy, Mozambika, Frantsa (La Réunion sy Mayotte), Seychelles, Somalia, Afrika Atsimo ary Tanzania. Tanjon’ny Cop11 ny hampihenana ny tsindry ara-tontolo iainana sy mikajy ny tombontsoa ara-toekarena entiny.
Mitarika ny Cop 11 mandritra ny 2 taona (2022-2024) i Mada­gasikara. Nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana (Medd), Max Andonirina Fontaine, fa anisan’ny hifantohan’i Madagasi­kara ny fitantanana ny ala honko any amin’ny faritra Sofia sy Boeny. Hohamafisina ny fitantanana ny helidranon’i Bombe­toaka, sns. Ho hampandraisana anjara ny Vondrona olona ifo­tony (VOI), satria izy ireny no tena voakasika mivantana ny
harena an-dranomasina sy ny morontsiraka.

Njaka A.

Partager sur: