Samy mahatsapa ny maha sarobidy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-bola ny fitondram-panjakana sy ny avy amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena. Izany indrindra no anton’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.
Tontosa omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra, ny fandraisan’ny filoham-pirenena Rajoelina Andry, ny solontena vaovaon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI), i Kodjovi Mawulikplimi Eklou. Samy naneho ny maha zava-dehibe ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-bola ny roa tonta nandritra ny fihaonana. Hitohy hatrany, araka izany, ireo fiaraha-miasa eo amin’ireo lafiny roa ireo. Hisy ihany koa ny fiaraha-miasa manokana eo amin’ny fanatraran’i Madagasikara ny tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, izay efa niarahan’ity solontenan’ny FMI ity nidinika tamin’ny minisitry ny Fambolena sy fiompiana.
Mitombo ary mitohy hatrany ny fifandraisana sy fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny firenena avy any ivelany sy ny vondrona iraisam-pirenena maro samihafa. Marik’izany izao fandraisana indray ny solontenan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena izao. Ankoatra ireo efa niarahana niasa hatramin’izay. Hisy ny fanohanana an’i Madagasikara amin’ny fanatrarana ny tanjona fahavitan-tena ara-tsakafo. Laharam-pahamehana amin’izany ny fametrahana sy fampandehanana ny sompitra ara-tsakafo any atsimon’ny Nosy.
Raha tsiahivina, efa misy ny fiaraha-miasan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena sy Madagasikara amin’izao, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Facilité élargie de crédit (Fec) sy ny Facilité pour la résilience et la durabilité (FRD). Ahafahan’i Madagasikara misitraka 663 tapitrisa dolara ato anatin’ny 3 taona, nanomboka ny taona 2023. Ny fanavaozana dia hifantoka amin’ny fanamafisana ny habaka ara-bola, ny fandaniana ara-tsosialy hanatsarana ny fari-piainan’ny olona, ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampivoarana ny ady amin’ny kolikoly sy ny fitantanana, ny fanamafisana ny rafitry ny politikam-bola ary koa ny fanohanana ny fitoniana ara-bola.
Lin