“Apollo 21”: Ketrehina ny hampodiana an’i Philippe François

Misoko mangina. Hita tamin’ny gazety iray eto an-toerana sy any ivelany, ny 20 desambra teo, fa mitaky ny hamindrana ny hanefan’i Philippe François ny saziny any Frantsa ny fitondrana frantsay. Voalaza fa efa nihaona ny 2 desambra teo ny mpanolotsaina ny filoha frantsay, misahana an’i Afrika ny solontenan’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisitry ny Fitsarana sy ny tompon’andraikitra iray eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika. Nan­gataka antontan-taratasy telo momba io raharaha io ny avy amin’ny fanjakana frantsay, ahafahana miroso amin’ny dingana amin’ny famitany ny saziny any Frantsa. Anisan’ izany ny momba ny datin’ny famonjana, ny fotoana voatondro hamitany ny saziny. Eo koa ny fahafahan’ny fanjakana mampihena ny saziny. Efa nandeha koa aza ny soso-kevitra amin’ny fanalahefan- tsazy avy amin’ny filoha…

Fikasana hifofo ny ain’ny filoha…

Etsy andaniny, tombanana fa ho takalon’izany kosa ny hampodiana an-tanindrazana ireo mpialokaloka politika any Frantsa. Anisan’ izany i Fanirosoa Ernaivo sy Rakotomalala Fleury. An­drasana ny mety ho tohin’izany rehetra izany.
Tsiahivina fa anisan’ireo voasaringotra amin’ny fikasana hifofo ny ain’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, amin’ilay “Raharaha Apollo 21” ity kolonely frantsay ity. Nahazo sazy figadrana 10 taona an-tranomaizina eny Tsiafahy, na­nomboka ny aogositra 2021.

Synèse R.

Partager sur: