Sandam-bola ariary: manodidina ny 5 000 Ar ny 1 euro

Tsy mitsaha-mitotongana ny sandam-bola ariary. Mano­didina ny 5 000 Ar ny sandan’ny 1 euro, ankehitriny. Raha ny tsenam-bola navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM), omaly 6 aogositra, misanda 4 941 Ar ny 1 euro, ary 4 565 Ar ny 1 dolara.
Mandrindra ny lafiny sandam-bola ny BFM. Araka ny fampahalalam-baovao navoakany, omaly 6 aogositra, mahatsapa ity antokon-draharaha ity fa anisan’ny mahatonga io fitotongan’ny ariary io, ny fidangan’ny vidin-javatra. Toy ny fihenan’ny tolotra amin’ny vokatra eto an-toerana, indrindra ny vary.
Nasondrotra ny zanabola
Manoloana izany, fepetra noraisin’ny BFM ny hanitsiana ny tontolo ara-bola samihafa, satria tsy tratra ny fifandanjana eo amin’ny tolotra sy ny tinady. Nanomboka omaly 6 aogositra, nampiakarina ho 9,5% ny tahan’ny zanabola, fametrahan’ny banky vola isan’andro ao amin’ny BFM (taux de facilités de dépôt), sy ho 11,5% ho an’ny tahan’ny fampindramam-bola ataon’ny BFM ho an’ny banky isan’andro (taux des facilités de prêt marginal).

Njaka A.

Partager sur: