Niara-dalàna sy nanohana ny mpamokatra malagasy hatrany ny Tsenabe iraisam-pirenena ara-toekarena eny ambanivohitra “Fier-Mada”, nandritra izay 25 taona nisiany izay. Nisongadina hatrany ny fihaon’ny mpanjifa mivantana amin’ireo mpamokatra avy eny ifotony.
Fotoan-dehibe iray mampivondrona ny mpamokatra sy ny tantsaha manerana ny Nosy ny hetsika “Fier-Mada” izay atao eny amin’ny kianja Maki Andohatapenaka, nanomboka omaly hatramin’ny alahady izao. Nanomboka ny taona 1999 nisian’ny hetsika hatramin’izao 2024 izao, niara-dalàna ho an’ny fampiroboroboana ny famokarana sy ny toekaren’ny tantsaha hatrany ny “Fier-Mada”. Nasongadina manokana ny vokatra vita malagasy sy ny fahaiza-manaon’ireo tantsaha sy ireo mpamokatra samihafa. Miavaka ny hetsika amin’ity taona ity. “Naverina ny tsena malagasy fahiny teny Analakely, izany hoe, ireo elo be nampiavaka antsika ka misy ireo toerana ahitana izany”, hoy ny filohan’ny “Fier-Mada” sady mpikarakara ny hetsika, Ramanantsoa Jacques. Lohahevitra tamin’ity andiany faha-25 ity ny hoe : « Toekarena ambanivohitra miroborobo: arovan’ny fanjakana amin’ireo loza rehetra mihatra ny asa famokarana ». Mbola tsy ampy ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny famokarana eto amintsika. Mazàna, potiky ny loza voajanahary sy ambana isan-karazany ny voly sy fiharian’ireo tantsaha ka tsy maharisika amin’ny famokarana intsony izy ireny. Izany hoe, tokony tohanan’ny fanjakana hatrany ny mpamokatra. Ekena, misy ny fadaharanasa fampadrosoana ny fambolena sy fiompiana ary jono, saingy matetika tsy mipaka mivantana amin’ny tantsaha izy ireny. Fotoana iray ahafahana misarika ireo mpamatsy vola handraharaha eny ambanivohitra ihany koa ny hetsika.
Malalaka
Tany mamokatra sy midadasika i Madagasikara ka mila trandrahana hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Miara-dalàna sy manome tantsoroka samihafa an’ireo tantsaha ihany koa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (Minae) sy ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga (MPEB) amin’ny alalan’ny fanomezana ireo masomboly sy teknikam-
pamokarana isan-karazany. « Maro no efa vita saingy mbola betsaka no tokony atao »,
hoy ny mpikarakara ny “Fier-Mada”.
Henintsoa Hani




