« Festikite »: hatao any Antsiranana ny andiany fahatelo

Hotanterahina ao amin’ny helodranon’i Sakalava ao Antsiranana, ny 23 – 25 aogositra ho avy izao, ny andiany fahatelo amin’ny “Festival International de Kitesurf” (Festikite). Fihaonana karakarain’ny Mada Kite Bros. Nampahafantarin’ny mpikarakara tamin’ny mpanao gazety, teny Andraharo, omaly, izany. Nambaran-dRazafindrasata Panoel, filohan’ny sekoly Mada Kite Bros fa miavaka ity andiany fahatelo ity noho ny fiavian’ireo vahiny sangany avy any eoropa, hifaninana.
Hisy karazany maro ny taranja ka anisan’ireny ny windfoil, ny kitesurf Slalom, ny windsurf slalom, ny big air, ny freestyle sy ny best impression. Manohana ny hetsika ny orinasan-tserasera Telma Madagascar izay miezaka hatrany mampahafantatra an’i Madagasikara amin’ny alalan’ ny fanohanana ny fanatanjahantena.
Ho fety be tokoa ity Fes­ti­kite andiany fahatelo ity. An­koatra ny fanatanjahantena, hisy koa ny fisafidianana ireo tovolahy sy tovovavy tsara tarehy sy ny Morengy mampalaza iny faritra Avatra iny. Tsy misy ny vola hozaraina fa hotolorana loka avy amin’ny mpanohana sy medaly ireo mpandresy.
Notsiahivin’i Panoel fa tonga teto Madagasikara ny kitesurf, ny taona 2022 ary natao tany Antsiranana hatrany ireo andiany roa sy ny fahatelo noho izy toerana mety tsara amin’ilay taranja. Tan­jona ny fampiroboroboana ny fizahantany amin’ny ala­lan’ny kitesurf.

Tompondaka

Partager sur: