Wake Up 2024: tsy nitsanga-menatra ny Malagasy

Nampiseho ny vokatra azon’ireo solontena malagasy, niatrika ny fifaninana dihy ho an’ny ranomasimbe Indiana, ny federasiona malagasin’ny “danse urbaine”, ny talata lasa teo. Fifaninanana natao tany Maorisy ny 18 hatramin’ny 21 jolay ka mpandihy malagasy 3 no nifaninana tamin’izany. Samy nahazo vokatra tsara avokoa izy 3 mianadahy ireo. Nahazo ny laharana voalohany, teo amin’ny Hip Hop, i Fabyo Kydo. Samy nahazo ny tompondaka lefitra kosa i Petit Coca, teo amin’ny Afrostyle sy i Bboy Loup-Kass, teo amin’ny Breaking Dance. Nambaran’ny filohan’ny komisionan’ny Hip Hop eo anivon’ny federasiona, Rehava Angeluc fa nandalo sedra maro ireto atleta malagasy vao tonga tamin’izao tanjona izao ary ezaky ny federasiona notohanan’ny komisiona ny rano­masimbe Indiana no nahafahan’izy ireo niaro ny voninahi-pirenena. Mbola handray anjara hatrany i Madagasikara amin’ ny fifaninanana iraisam-pirenena ka manao antso avo amin’ ireo mpanohana mba hanome tanana azy ireo. Ny 25 novambra hatramin’ny 1 desambra izao indray no ho an’ny La Réunion hiatrika ny fifaninanana manaraka ny atleta mala­gasy, eo amin’ity taranja “danse urbaine” ity.

Mi.Raz

Partager sur: