Afrobasket U18: tsy mandray anjara i Madagasikara noho ny antony tsy mazava

Tsy misy mahalala ny olana eo amin’ny Federasiona malagasin’ny basikety ny rehetra. Fantatra
nefa fa tsy ao anatin’ireo firenena mandray anjara amin’ny “Afrobasket” atao any Afrika Atsimo i Madagasikara izay efa “qualifiés d’office”.

Hotanterahina any Johannesburg Afrika Atsimo, ny 1 hatramin’ny 14 septambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja basikety, lahy sy vavy, sokajy U 18, “Afro­­basket 2024”. Araka ny vaovao voaray omaly, teo anivon’ny Federasiona malaga­sin’ny basikety, tsy mandray anjara ny ekipam-pirenena Ankoay, lahy sy vavy.
Tsiahivina fa nandritra ny “Afrobasket 2022”, izay natao teto Madagasikara, efa fantatra fa afaka miatrika avy hatrany izany fifaninanana izany tsy mifanintsana na “qualifiés d’office” izay firenena rehetra manao manasa-dalana. Ani­san’izany ny Ankoay, lahy sy vavy. Ny Ankoay lahy izay na­hazo ny laharana faharoa ary ny vavy fahefatra.
Nezahina ihany ny nanontany ny tena antony tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’
ny FMBB, saingy tsy nisy na­maly ny tena olana tsy ahafahan’ny Ankoay mandray anjara amin’ity “Afrobasket” andiany manaraka ity izy ireo.
“Ny filohan’ny FMBB irery ihany no tena mahafantatra ny antony mazava, tsy ahafahan’ ny ekipa nasionaly miatrika io fifanintsanana io”, hoy ny loharanom-baovao iray avy ao amin’ny FMBB.

Basket-ball Prime

Hotontosaina any amin’ny faritr’Antsiranana, ny 12 hatramin’ny 18 aogositra ho avy izao, ny fifanintsanana “Basket-ball Prime 2024”. Lalao hiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Fiba Afrobasket U16”, lahy sy vavy, ho an’ireo firenena aty amin’ny faritra fahafito. Ankoatra an’i Mada­ga­sikara, mpampiantrano, handray anjara amin’izany koa i Seychelles, Maurice, Djibouti, Comores. Nilaza ny FMBB fa efa manao fanazarantena ao Mahamasina ny ekipam-pirenena malagasy amin’izao.

Fitia Randria

Partager sur: