Miditra amin’ny andro fahadimy, anio, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, Asief (Association sportive interministerielle pour l’entretien des fonctionnaires) any Antsirabe. Ho an’ny taranja basikety, efa nanomboka ny alarobia teo ny fifanintsanana ary lalao 16 avy hatrany no hatao ho amin’ny anio, eny amin’ny Kianja mitafo, anatiny sy ivelany, ary eny ny Kianja Ensoa, Antsirabe. Hisantatra ny lalao, ny MFA sy ny Men, eo ihany koa ny fifandonan’ny Mesupres sy ny Dren Vakinankaratra ary ny MSP sy ny SMMC.
Eo amin’ny taranja volley-ball, efa nanomboka ny talata teo ny fifaninanana ka toy izao ny vokatra voaray: nandresy ny Men tamin’ny seta 3 no ho 1 ny Zandarimaria Vakinankaratra. Nolavoin’ny PRM tamin’ny seta 3 no ho 1 ny Cnaps ary mbola nahazo fandresena tamin’ny seta 3 no ho 1 ihany koa ny MEF nanoloana ny APMF. Seta 3 no ho 0 no nandavoan’
ny Paoma ny MEDD. Toraka izany koa ny nandresen’ny Prima ny Mesupres.
Tsiahivina, taranjam-panatanjahantena 16 no hifaninanana amin’ity “Asief 2024” ity, ahitana, ny baolina kitra, basikety, volley, rugby, atletisma, tsipy kanetibe, tenisy, tenisy ambony latabatra, lomano, bisikileta, dihy ara-panatanjahantena, belote, karate, Ady totohondry (anglaise), kick boxing ary ny savate.
Mi.Raz
Vokatra teo amin’ny volley-ball
GNVK vs Men: 3/1
PRM vs Cnaps: 3/1
Mef vs APMF: 3/1
Medd vs Paoma: 0/3
Santé vs AN : 0/3
Prima vs Mesupress : 3/0