Hotanterahina atsy Maurice, ny 18 aogositra ho avy izao, ny lalaon’ny Disciples FC sy ny Orlando Pirates Afrika Atsimo. Andrasana ny mahakasika an’i EL Hadari.
Afaka dimy andro, izany hoe, ny 15 aogositra ho avy izao no hanainga eto an-tanindrazana ho any amin’ny Nosy Maurice, ny Disciples FC Madagasikara. Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika « Ligue des Champions (LDC) Caf » ny anton-dian’izy ireo any an-toerana, ary ny Orlando Pirates Afrika Atsimo no hihaonana.
Nilaza ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ity klioba ity fa mbola tsy fantatra ny mahakasika an’i El Hadari Raheriniaina, Malagasy lohalaharana.
Nambaran’ilay mpitantana iray eo anivon’ity klioba ity, fa mbola andrasana ny taratasy fahazoan-dalana avy amin’ny St Michel Utd Seychelles, kliobany teo aloha, vao afaka miatrika ny lalao mandroson’ny LDC Caf, izay hatao atsy Maurice, izy. « Nangatahinay tamin’ity ekipa avy atsy Seychelles izy, hatao mpilalao mpanatevina anay. Amin’ny alatsinainy ho avy izao ny fe-potoana hiandrasanay ny valin’izany », hoy ity mpampita vaovao avy ao amin’ny Disciples FC ity.
Nomarihiny ihany fa mety hilalao izy amin’ny fifanandrinana miverina, raha toa ka tonga aorian’ity lalao mandroso ity ilay taratasy. Tsiahivina fa i El Hadari, mpilalao efa nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar.
Fitia Randria