Prefet Antananarivo: “Tsy maintsy manao arovava orona anaty taxi-be” 

“Mbola ao anatin’ny hamehana ihany isika. Ny fiarovan-tena voalohany dia ny fitandremana ny hanina sy ny sotroina, mba ho salama isika amin’ny taona 2023. Eo koa ny fiarovan-tena amin’ny fety”, hoy ny prefet  Antananarivo, ny Jly Ravelonarivo Angelo. Anton’izany ny mbola fisian’ny valanaretina covid-19, indrindra ho an’ny eto an-drenivohitra  amin’izao fiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy fiandrasana ny  taom-baovao.  Mahabe ny fitangoronana eny amin’ ny toerana maro samihafa: eny an-tsena, any am-piangonana izany…

Efa misy fepetra manokana ny amin’ny filaminam-bahoaka mandritra ny fety. Efa misy fanapahana fampiharana navoakan’ny prefet momba ny didim-panjakana tamin’ny filankevitry ny minisitra, efa ampiharina eto Antananarivo. Tsy maintsy manao arovava orona ireo rehetra miditra ao anatin’ny taxi-be, araka ny fanazavany.

Tsiahivina fa tao anatin’ny herinandro roa izao, miisa 196 ireo tratran’ny covid-19, ka eto amin’ny faritra Analamanga, faritanin’Antananarivo,  avokoa ny 141 tamin’izany.

R. Nd.

Partager sur: