“Fomba fiadin’ny mpanohitra ny mijery ny hirika madinidinika hahazoany mba mipoitra amina sehatra iray. Malemy ny mpanohitra eto ary izay indraindray no mahatonga antsika lasa mivaona tanteraka ny fomba fanoherana na ny fijerena ny tsy mety.” Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Asa vaventy, i Hatrefindrazana Jerry, momba ny fihetsiky ny mpanohitra nanoloana ny fitsipaham-pitokisana governemanta.
Raha tena ao anatin’ny fanoherana, adihevitra ao anatina asa fampandrosoana no tokony hisy. Ny fomba hahazoana mampatanjaka hiatrehana fifidianana no ilaina. Ny zava-misy eto Madagasikara: tonga hatramina sehatra efa tsy tafiditra ao anatina politika ny fanoherana fa fankahalana. Hany ka voasaringotra hatrany amin’ny fiainan’olona manokana no entina sy voizina mba hahafantatra hoe mpanohitra. Na misy mivaona aza ny fanehoan-kevitra , mbola betsaka ny sehatra tsy misy fanasaziana mba tsy hitenenana hoe efa tena mihoatra ny fampiharana ny tena demokrasia ny eto Madagasikara.
Tsy mampalemy ny fitondrana ny fitsipaham-pitokisana
Tokony ho ao anatin’ny Antenimiera ny fanoherana fa tsy ety ivelany, lapan’ny demokrasia izay, ary izany koa no ao anatin’ny lalàmpanorenana. Vitsy anisa ny mpanohitra eo anivon’ny Antenimierampirenena. Hany ka raha misy ny toy ireny fitsipaham-pitokisana, hahazoany mieritreritra sy mampitsiry fanantenana hoe afaka mandemy ny fitondram-panjakana: inona no tsy hidiran’ny mpanohitra amin’izany?
“Tsy mampalemy ny fitondram-panjakana ny zava-nisy teo anivon’ny Antenimierampirenena”, hoy izy. Misy tonga hatramin’ny hoe hivadika fampiatoana ny filohan’ny Repoblika amin’ny asany io, malemy ny fitondram-panjakana… Tsy ny filohan’ny Repoblika no manatanteraka ny politikan’ny fitondram-panjakana fa ny governemanta. Nametraka vina sy velirano ny filoha, anjaran’ny Praiminisitra sy ny minisitra ny manatanteraka an’ireny.
Rariny raha misy adihevitra eny anivon’ny Antenimierampirenena amin’ny hoe: nahavita ny andraikiny sa tsia ny governemanta? Tsy misy idiran’ny fahalemen’ny fitondram-panjakana ny fitsipaham-pitokisana.
R. Nd.