SOMBIM-BAOVAO

Nifarana ny faran’ny herinandro teo ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, “1ère division” sy “2è division”, taranja Volley-ball. Tompondaka teo amin’ny D1 ny GNVB2 sy ny Squad 1. Tompondaka teo amin’ny 2D kosa ny Asi 2 sy ny Squad.

Nahemotra amin’ny volana oktobra ny fifaninanana “King of the mat”, taranja Jiu-jitsu brezilianina saika hatao ny sabotsy 24 aogositra izao. Hisy anefa ny seminera hiarahana amin’ny Sensei Séraphin amin’io fotoana io, eny amin’ny Dojo Rama.

Hatao any Toliara, ny 31 oktobra hatramin’ny 2 novambra izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Karate-do. Fifaninanana farany amin’ity taona ity, karakarain’ny Federasionan’ny karate-do malagasy, mialoha ny handrafetana ny ekipam-pirenena.

Mifanindry an-dalana amin’ny faran’ity herinandro ity ny fanombohana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, sokajy U16 sy U20. Hatao any Antsirabe ny sokajy U16 ary any Farafangana kosa ny U20.

Partager sur: