Antoko TGV: mangataka ny hirotsahan’ny filoha Rajoelina

Nanambatra hery tetsy amin’ny PK0 Soarano indray, omaly, ny mpikambana TGV, Boriborintany I. Niray feo izy ireo ka nangataka  ny hirotsahan’ny filoham-pirenena am-perinasa hofidiana indray amin’ny taona 2023.

Nanotrona ny fihaonana ny sekretera nasionalin’ny antoko TGV sady governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery sy ny depiote, Dimbindraibe Ratafika . Nambarany fa mila manampy ireo olom-boatendry rehetra isika mpiray hazakazaka hahatanterah’ny filoha ny veliranony. “Ho mora ny handany indray ny filoha Rajoelina raha miara-mientana ny rehetra“, hoy izy.

Nanentana ny minisitera rehetra ihany koa ny governora mba hiara-hientana amin’ny fanamboaran-dalana, feno lavadavaka, toy ny ezaka natao tamin’ny fanalana fako.

Mitsipaka fiaraha-mitantana

Tetsy andaniny, mitsipaka marindrano ny fiaraha-mitantana, voizin’ny mpanohitra ny tenany. Manaraka ny fanapahan-kevitry ny filoha hatrany kosa anefa izy.  Nanentana ny rehetra hazoto amin’ny fisoratana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana sy hanara-maso izany mba hahafahana mifidy izy ireo. Fototry ny TGV ny ao amin’ny Boriborintany I ary vonona ny hampandany ny filoha Rajoelina amin’ny isa mavesatra, raha ny fanambin’izy ireo.

Nisy ny fizarana vary milanja 10 t ho an’ireo mpikambana TGV. Hatao modelin’ny firaisankina ny ao an-toerana ka hanamafy ny tanjany amin’ny fiarahana manatanteraka ny velirano rehetra nataon’ny filoham-pirenena.

Tatiana A

Partager sur: