Fisoratana anarana eny amin’ny EPP : 45 000 Ar hatramin’ny 60 000 Ar ny latsakemboka Fram

Manomboka amin’ity herinandro ity, manomana ny fidirana amin’ny taom-pianarana vaovao ny sekolim-panjakana eny amin’ny ambaratonga fototra. Mandray ireo ray aman-dreny hanoratra anarana ny zanany miaraka amin’ny fanefana ny latsakemboky ny Fram izy ireo.

Nandray ny asany na­nom­boka omaly ny mp­a­ndraharaha eny anivon’ny EPP eto Antananarivo, araka ny tetiandron’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ho an’ny taom-pianarana vaovao 2024-2025. Nisanta­rana ny asa ny fandraisana ireo ray aman-dreny hanoratra anarana ny zanany hanaraka ny taom-pianarana vaovao. Efa tapaka nandritra ny fivorian’ny ray aman-drenin’ny mpianatra mialoha ny famaranana ny taom-pianarana 2023-2024 ny sorabola amin’ny latsakemboky ny Fram ho an’ny taom-pianarana vaovao. Samy manana ny lamina ny EPP tsirairay fa ho an’ny sasany, efa nisokatra ny herinandro lasa teo ny toeram-pampianarana ho an’ny ray aman-dreny hanoratra anarana. Mbola marisarisa izy ireo noho ny olana ara-bola. 20 000 Ar isaky ny mpianatra no efain’ny ray aman-dreny ankoatra ny fitaovana tsy maintsy mbola hovidiana, hoy ny talen’ny EPP iray.
Ho an’ny EPP Antanan­drano, 45 000 Ar isaky ny ray aman-dreny ny latsakemboka ho an’ny Fram. Hatao karaman’ny mpiandry ny sekoly sy ny mpampianatra Fram tsy mbola mahazo tohana any amin’ny fanjakana ny vola azo, hoy ny talen’ny EPP eny an-toerana. Mandrafitra ny tetibola herintaona ho an’ny taom-pianarana vaovao izy ireo miaraka amin’ny Feffi, amin’ity herinandro ity. Ta­paka fa 60 000 Ar isaky ny ray aman-dreny no aloa ho an’ity taom-pianarana ity, araka ny tapaka nandritra ny fivoriana ho an’ny EPP sasany.
Ny mpitantana EPP sasany mbola manaraka fiofanana satria dingana tsy maintsy arahina izay mialoha ny fidirana, ny 9 septambra ho avy izao. Mbola hiofana koa ny mpanabe rehetra.
Ny 2 septambra ho avy izao no hiditra an-tsekoly ny mpampianatra handrindra ny fandaharam-potoana rehetra mandritra ny taona. Manamafy ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa maimaimpoana ny fampidirana an-tsekoly ny kilonga nefa misy ireo fandaniana samihafa ilana vola mitambesatra amin’ny mpitantana sy ny ray aman-dreny isan-taona.

Vonjy

Partager sur: