Vehivavy minisitra : andrasana ny famerenan-kasina

“Faly dia faly satria nahitana salan’isa tena tsara ho an’ireo vehivavy minisitra ny tamin’ity indray mitoraka ity», hoy Rakotohery Mireille, mpandrindra ny Vondrona miralenta ho an’ny fampandrosoana (VMLF), faritra Analamanga, raha nanontaniana. “Misaotra ny Zanahary satria nisy tolo-tsaina avy aminy tao matoa nitranga izany”, hoy hatrany izy. Nisaotra ny nanendry izay nanana fahatokisana tamin’ireo vehivavy ireo ihany koa. Nangatahan’ny VMLF amin’ireo vehivavy minisitra ny hampiasa ny talenta amin’ny rariny sy ny hitsiny mba hamerina ny hasin’ny vehivavy. Hamerina ihany koa ny hasin’ny tena sy ny hasin’ny teny ary ny hasin’ny tany. Nambarany fa azo antoka fa handroso i Madagasikara rehefa tafaverina ireo hasina telo ireo. Fantatra fa manana talenta izay nomen’Andriamanitra azy ireo vehivavy ireo matoa nofidina. “Renim-pianakaviana ianareo rehetra, jereo amin’ny maso tsy miangatra ny zava-drehetra ary ataovy izay adidy tokony mbola hatao hivoaran’i Madagasikara”, hoy hatrany ny nambaran’ity mpandrindra ny VMLF ity.
Miezaka mampitombo ny tahan’ny vehivavy mandray andraikitra eo amin’ny fitantanan-draharaham-pirenena ny VMLF. Tombony amin’ny fitantanan’ny vehivavy ny nihafiany teo anivon’ny tokantrano sy ahitany vahaolana mifanaraka amin’izay mety olana rehetra miseho.

Mino

Partager sur: