Sehatra tsy miankina: nivoaka ny lalàna vaovao mifehy ny asa

Nivoaka sy manan-kery ny lalàna vaovao mifehy ny asa, laharana 2024-014, tamin’ny 14 aogositra lasa teo. Maro ny zava-baovao sy ny fanatsarana entin’ity lalàna ity eo amin’ny sehatry ny asa ka anisany ny fanamafisana ny zo fototra arakasa. Miompana indrindra amin’ny fanajana ny maha olona, ny fitovian-jo, ny tsy fanekena ny fanavakavahana, ny fahafahana manangana fikambanana ary ny fifanarahana iombonana izany. Teo koa ny fanatsarana ny fandrindrana ny rafi-pifandraisana iombonana eo anivon’ny toeram-piasana. Ahitana ny andraikitra sy ny satan’ny solontenan’ny mpiasa, ny fampijoroana ny komitin’ny orinasa ary ny fanajana ny tamberin’andraikitry ny fanjakana, izay hametrahana fiarovana sy fahasalamana eo amin’ny sehatry ny asa, amin’ny alalan’ny fametrahana politikam-pirenena mifandraika amin’izany.
Natao hifehy ireo mpampiasa sy mpiasa misehatra amin’ny sehatra tsy miankina na eny anivon’ny sehatra manara-drafitra na eny amin’ny sehatra tsy manara-drafitra ny lalàna vaovao izay mifanaraka amin’ireo fifanekena iraisam-pirenena maro nankatoavintsika.
Nalaina sy noraiketina anatin’ity lalàna ity avokoa ny hevitry ny mpisehatra rehetra amin’ny tontolon’ny asa, ahitana ny vondron’ny mpampiasa, ny sendikan’ny mpiasa, ny minisitera marolafy ary ny fiarahamonim-pirenena.

Vonjy

Partager sur: