Famaranana ny zaikabe FIVAMI : hiompana amin’ ny asa sosialy

Hifarana anio ny telo andro hanantanterahana ny zaikabe 2024 ataon’ny fikambanan’ny vady miaramila (FIVAMI) manerana ny faritra telo. Anisan’ny ahitana izany, ny any Fianarantsoa, Antsirabe ary Mahajanga. Hahazo vahana mandritra ny famaranana ny tolotra ara-pahasalamana sy ara-tsosialy ary hetsika ara-kolontsaina samihafa. Samy hahazo tombony amin’izany na ny mpikambana na ny mponina any an-toerana. Hotohanana manokana ireo ankizy marefo eny anivon’ny ivontoeram-pitaizana sy mandray an-tanana ny manana fahasembanana ary ireo ankohonan’ny miaramila lavo am-perinasa. « 15 taona lasa izay no niorina ara-panjakana ny fikambana », hoy Ndriarijaona Clotilde, filoha mpanorona ny FIVAMI, nandritra ny fanokafana ny hetsika tamin’ny fomba ofisialy. Nisaotra ny ezaka nataon’ny rehetra izy ary nampirisika ireo vady miaramila hanao ezaka mba hanohanana ny vadin’izy ireo. Mba hiezaka hanao hetsika maro samihafa ho fanampiana ny mpiara-belona ihany koa. “Vady miaramila miray hina, miara-mientana ho an’ny fampandrosoana”, io ny lohahevitra nentina nankalaza ny zaikabe nasionaly natao teto amin’ny Nosy, tamin’ity taona ity.

Mino

Partager sur: