Fampianarana teknika Vakinankaratra: hiara-hiasa amin’ny tsy miankina

Nidina ifotony nijery ireo fotodrafitrasa sy fampiofanana atolotra ao amin’ireo ivontoeram-panofanana mandrafitra ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa Vakinan­karatra ny minisitra Rasolo­arisoa Marie Marcelline, tamin’ity herinandro ity. Na­tomboka tao amin’ny biraon’ny fitaleavam-paritra ny fitsidihana. Avy eo nitohy tao amin’ny Lycée téchnique et professionnel Antsirabe, Lycée téchnique et professionnel Vina­nin­karena, nandalo ny Com­plexe de formation professionnelle Mohammed VI, ny Centre agricole de référence Andranomafana Betafo ary tao amin’ny Centre de formation professionnelle Antso­atany. Taorian’ny fitsidihana, hita fa efa tranainy avokoa ireo fotodrafitrasa sy fitaovana enti-mampiofana. Nanome toromarika ny minisitra mpiahy ahafahana manarina haingana sy manatsara ny sehatry ny fampianarana sy ny fanofanana. Hamafisina ny fiaraha-miasa eo amin’ny ivontoeram-panofanana amin’ireo orinasa tsy miankina eny ifotony. Miainga amin’ny filan’ny tsenan’ny asa hatrany ny tolotra fanofanana homena ny tanora, araka ny toromariky ny filohan’ny Repoblika.
Aorian’ny fitsidihana, hisy fakan-kevitra eo anivon’ny faritra iarahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy orinasa tsy miankina hahafahana mametraka ireo sehatrasa azo trandrahina ho an’ny tanora ao ann-toerana. Hoe­zahina hatsaraina avokoa ny fotodrafitrasa hifanaraka amin’ny zava-misy eny amin’ny orinasa.

Vonjy

Partager sur: