INDRAY MIJERY

Fitokanana trano mora. Hatomboka any Nosy be, ny volana septambra izao, ny fitokanana ny trano mora ataon’ny fitondram-panjakana eto amin’ny Nosy. “Tohizana ao Morondava, Antsirabe, Imerintsiatosika ary faranana ao Toamasina izany”, hoy Andriamanohisoa Gerard, avy ao amin’ny SENVH. Fomba telo no handoavana ny vidin’ny trano. Misy azo aloha ao anatin’ny 5 taona ary hanefa izany mivantana eny anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana. Misy ny aloha ao anatin’ny 10 na 15 taona. Fiaraha-miasa amin’ny banky isan-karazany kosa no hataon’izy ireo ao anatin’izany.
Nitokona ary tsy niasa nanomboka ny alatsinainy lasa teo ireo mpiasa ao amin’ny orinasa fanodidina plastika iray etsy Anosizato. Anton’ny hetsika ny fanapahana ny karaman’izy ireo hatramin’ny 19 % noho ny fahatapahan-jiro miseho eny anivon’ity orinasa ity. Manao antso fanairana, araka izany, ireo mpiasa mba hijery ny zava-misy sy ny olana sedrain’izy ireo. Mbola hitohy ny hetsika mandra-pivahan’ny olana, hoy ireo mpiasa.
Dina manodidina ny 50 000 Ariary. Anisan’ny fepetra apetraka eny anivon’ny fokontany ny fametrahana ny dinam-pokonolona. Tanjona ny hisorohana ny fahalotoan’ny tanàna maro eto Antananarivo. Ho an’ny fokontany maro, nepatraka ny dina mitentina 50 000 Ariary ho an’ireo tratra manary rano maloto sy manary rano avy amin’ny toeram-pivoahana amin’ny lalankely sy ny lalam-pokonolona. Na dia eo aza anefa izany, mbola misy hatrany ireo olona tsy manara-dalàna sy manary rano amin’ny andro alina tsy misy mpahita.

Partager sur: