Tapitra ny fotoana hiasan’ny Mercy Ships eto Madagasikara. Handao ny Nosy amin’izay ity sambo mpanao asa soa eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ity.
Enim-bolana izay no nahatongavan’ny sambo Mercy Ships teo amin’ny seranan-tsambon’ i Toamasina. Ankehitriny, miomana hitodi-doha hiverina any amin’ny firenena niaviany amin’izay ity sambo lehibe nisahana ny fahasalamam-bahoaka ity ary maimaimpoana daholo ny fandraisana. Ny talata 27 agositra teo, nivoaka ny taratasy avy amin’ny tomponandrikitry ny sambo ny hamaranana sy tsy handraisana an-tanana intsony ny fitsaboana, indrindra ny fandidiana. Efa maro rahateo ireo marary sy mpanara-dia azy no efa nampodiana.
Raha tsiahivina, tokony hiasa eto Madagasikara mandritra ny telo taona ka hatramin’ny dimy taona ity sambo mpitsabo maimaimpoana ity. Noho ny antony samihafa anefa dia izao hiala mialoha izao izy ireo. Marihina fa tonga teto ity sambo ity ny 5 septambra 2014 araka ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny fitondram-panjakana ka maharitra folo taona izany. Tapitra amin’ny 5 septambra ho avy izao izany raha tsy misy ny fanavaozana. Tsy maintsy mandao an’ i Madagasikara ny sambo aorian’io fotoana io. Hatreto aloha izany dia efa manomboka mikarakara ny fodiana ny tomponandraikitry ny sambo.
Sajo