Nanana anjara betsaka tamin’ny filankevitry ny minisitra farany teo ny lafiny fanatsarana ny fahasalamam-bahoaka. Hotohizana ny fiaraha-miasa amin’ny Mercy Ships
Nankatoavina nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo ny firosoana amin’ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny fikambanana tsy miankina Mercy Ships. Ny taona 2014 no nisy ny fifanarahana voalohany ary nampiana tovana vaovao ny taona 2018. Hifarana tsy ho ela ny fifanarahana fiaraha-miasa ka ilaina ny fanavaozana ho an’ny roa tonta. Zava-dehibe ny fahasalamana manakaiky vahoaka toy ny ataon’ ny fikambanana tsy miankina nandritra ny taona maromaro ka hitohy ny fiaraha-miasa aminy, hoy ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nambarany fa hamafisina koa ny hetsika fizarana tolotra fahasalamana faobe maimaimpoana amin’ny alalan’ny “Caravane médicale” manerana ny Nosy.
Tsiahivina fa enim-bolana aty aoriana, taorian’ny fahatongavan’ity sambo lehibe manao asa fitsaboana maimaimpoana ity, teo amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, efa niomana amin’ny fangoronan’entana hitodi-doha hiverina any amin’ny firenena niaviany indray izy.
Efa nivoaka ny taratasy avy amin’ny tomponandraikitry ny sambo tsy handraisana an-tanana intsony ny fitsaboana sy ny fandidiana. Betsaka rahateo ireo marary sy mpanara-dia azy no efa nampodiana. Tokony hiasa eto Madagasikara mandritra ny telo taona ka hatramin’ny dimy taona ny sambo.
Vaksiny anti-HPV
Mbola tao anatin’ny filankevitry ny minisitra ihany koa no nankatoavana ny fampidirana ny vaksiny miaro amin’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza (anti-HPV) natokana ho an’ny ankizivavy 9 ka hatramin’ny 14 taona, hiarovana azy ireo. Homamiadana faharoa mpahazo ny vehivavy aorian’ny homamiadan’ny nono ny mpiseho amin’ny vozon’ny tranon-jaza, araka ny zava-misy eny amin’ny hopitaly. Efa manana fitaovana fitarafana, mammographie, hitiliana ny homamiadan’ny nono ny hopitaly Andohatapenaka sy any amin’ny CHU Andrainjato Fianarantsoa. Maimaimpoana ny fitarafana.
Vonjy