Parcours Médiations et Management Culturel : nanao fanadiovana faobe teny Ankatso

Mpianatra L3, mahatratra 62, ao amin’ny Parcours Média­tions et Management Culturel, amin’ny Mentions Études Françaises et de la Franco­phones, Oniversiten’Antana­narivo, no nanao fanadiovana faobe anatin’ny faritry ny oniversite, nanomboka omaly. Tafiditra anatin’ny module Médiation de développement local ny asa fanadiovana sady fanentanana ny mpianatra rehetra hifandrimbona hanatsara ny tontolo manodidina eny an-toerana. Hahazoana naoty ny tetikasa manan-danja amin’ny fanadinana famara­nana ny sokajy. Haharitra he­farana ny fanadiovana amin’ny toerana telo nosafidiana manokana. Manala ny fako sy ny bozaka no atao ary nahazo fampitaovana avy amin’ny fiadidiana ny Oniversite ny mpianatra, hoy ny solontenan’ny mpianatra L3, Raharinirina Sylvie, omaly. Tanjona ny hitazona ny fahadiovana maharitra ho an’ny mpianatra rehetra, nisy rahateo ny mpianatra avy amin’ny parcours hafa nanampy satria misy tombon­tsoa iraisana. Sambany no nisy hetsika fanadiovana na­taon’ny mpianatra tahaka izao, tsara fakan-tahaka ho an’ny tsirairay. Midadasika ny faritry ny Oniversite ka tsy maharaka ny fanadiovana ny mpiasa misahana izany.
Misoroka ny karazana aretina vokatry ny loto sy ny fako miparitaka ny fanadiovana sady manome endrika ny tanàna.
Niaraka nanadio izy 62 mianadahy, nisantarana ny hetsika omaly, ary nizara vondrona ny tapany hariva, hifa­rana rahampitso ny asa.

Vonjy

Partager sur: