Nanao tantsoroka teny ifotony, nitondra fanovana sy fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana, ny fandaharanasa Access. Fahavitan-tena sy fitazonana izany kalitao izany no andrandraina amin’ireo nisitraka ny fanohanana.
Notanterahina tao Antalaha, ny alakamisy teo, ny tomban’ny ezaka nataon’ny fandaharanasa USAID Access tao amin’ny faritra Sava, mahakasika ny fanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana nandritra ny enin-taona fiasana.
Mifarana ny tetikasa ka nampahaleo tena ireo sokajy sy an-tanantohatra maro ary nametraka rafitra matipaika entina manatsara ny tontolon’ny fahasalamana, indrindra amin’ireo toerana lavitry ny renivohitra.
Nilaza ny tale lefitry ny USAID Access, i Aaron Hawkins, fa ny vahoaka sy ny masoivoho amerikanina dia mbola hanampy amin’ny famatsiam-bola ary miandry ny fitohizan’izany amin’ny fomba ofisialy isika, indrindra ny fampiharana sy ny fanomezan-tanan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Nisongadina tamin’ny asa nandritra ny 6 taona ny fampiofanana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ireo mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony, izay tena mandeha any amin’
ireo toerana alavitra tobim-pahasalamana.
Miisa 1 756 ireo mpanentana ara-pahasalamana nisitraka izany fiofanana izany tao amin’ny faritra Sava. Afaka nanara-maso ny fahasalaman’ny mponina eny ifotony, indrindra ireo zaza latsaky ny 5 taona sy ireo reny mitondra vohoka ary nanentana amin’ny fomba fandrindram-piterahana izy ireo. Tanjona ny hampihena ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zaza. Nisongadina koa ny fampiofanana amin’ny fitantanana ireo fanafody sy ny tahiry momba izany. Ankoatra izany ny fanatsarana ny fotodrafitrasa.
Ilaina amin’ny sehatry ny fahasalamana ny fanaovana tatitry ny zava-misy eny ifotony ka izany indrindra no antom-pisian’ny fanofanana momba ny fampiasana “application CommCare”.
Nankasitrahana ireo CSB sy tanora mendrika
Nivoy ny fiovam-pihetsika eny amin’ny fiarahamonina ihany koa ny tetikasa tamin’ny alalan’ny fanetanana “Be M’Ray”, izay fanentanana mahakasika ny fahadiovana sy ny fanaovam-baksiny ary ny ady amin’ny tazomoka.
Nankasitrahina ireo sokajy nahitana fiovana miabo tamin’ireo ezaka notakiana ka tokantrano 23 564 tao Sava no nankasitrahana, tanora mpifankatia 7 007 sy tanora 5 260 no voasokajy ho mpandresy amin’ireo fiovam-pihetsika sy fitondran-tena notakina. Tetsy andaniny, nilaza ny governoran’ny faritra Sava, Seramila Teddy Gervais, fa hita taratra sy azo tsapain-tanana ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana nentin’ny tetikasa Access teny amin’ny tobim-pahasalamana.
Tatiana A