INDRAY MIJERY

Ho fanatsarana ny fanaraha-maso ireo valanaretina, nisy ny fiofanana ho an’ireo “épidémiologiste de térrain” hiantsehatra ifotony mandritra ny fotoanan’izany. Andiany fahefatra ny fampiofanana. Tanjona ny hampitombo ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny vanim-potoan’ny valanaretina isaky ny distrika. Hivoaka afaka telo volana ireo mpiofana ireo ary hisehatra eny amin’ny distrika misy azy avy hatrany.

Nisy ny atrikasa fanombanana ny fampiharana ny tondrozotra nasionaly momba ny fanitarana ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ireo mpiasa tena, tamin’ity herinandro ity, natao teny Anosy. Tanjona ny hanaraha-maso ny fanatanterahana ireo fandaharanasa natomboka tato anatin’ny enim-bolana, ny fifampizarana ny fomba hanohizana ny fanatanterahana ny tetikasa miaraka amin’ireo tompon’antoka. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisitera, ny Cnaps ary ny vondrona iray izay misehatra amin’ny fahasalamana arakasa ny tondrozotra.

Partager sur: