Vokatry ny fifampiresahana : miverina miasa ny Meteo

Nanao fanambarana ny mpiasan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro eto Ma­dagasikara, fa miditra amin’ny fitokonana ny mpiasa ka ny asa fampandehanan-draharaha na asa farafahakeliny ihany no tanterahina nanomboka ny alakamisy lasa teo. Tapitra ny 72 ora napetrak’izy ireo tamin’ny fivoriambe natao ny 23 aogositra teo. Tonga teny an-toerana ny tomponandraikitra avy eo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny toetry ny andro ary nifampiresaka tamin’ny mpiasa ao amin’ ny Meteo Ampandrianomby. Miandry ny vokatr’izany ny mpiasa ka miato indray aloha ny hetsika rehetra ary mitohy avokoa ny asa, hoy ny fanambaran’ny mpiasa, omaly ihany.
Mitaky ny fialan’ny tale jeneraly am-perinasa ny mpiasa eo anivon’ny Meteo Ma­dagasikara ary nanamafy fa tsy mandray baiko avy amin’io tomponandraikitra io intsony. Nanamafy izy ireo fa miaina zioga samihafa nandritra ny taona maro. Eo ny tsy fahaiza-mitantana sy ny tsy fanarahan-dalàna, eo koa ny fanararaotam-pahefana ataon’ny tale jeneraly. Ny mpiasan’ny Meteo sy ny sendikà Meteo ary ny sosialy no niara-nanapaka fa hiroso amin’ny fitokonana izy ireo.

Vonjy

Partager sur: