“Hidina any ifotony haka hevitra aloha izahay. Hambarako aorian’izany ny fanapahan-kevitra amin’ny haha kandidà ho filoham-pirenena ny tenako“, hoy ny depiote Randrianasoloniaiko Siteny, afakomaly, tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray. Nambarany fa ilaina aloha ny mahalala ny olana eny ifotony. Tsy mitovy ny iatrehan’ny vahoaka izany sady fanajana azy ireo ny fihainoana azy.” Mba tsy ho diso lalana isika.. Aoka koa anefa tsy hilavo lefona fa hanana fanantenana”, hoy ihany izy. Nambarany fa efa manaiky ny hahakandidà ny tenany ny vady aman-janany. Nitondrany ny heviny koa ny raharaham-pirenena ka nilazany fa fiainam-bahoaka ireny fitsipahana ny governemanta ireny. Anisan’ny nitaky izany ny depiote maro an’isa. Tsy tanteraka avokoa ny fampananetanana raha ho an’i Toliary. “Tsy fivadibadihana izany fa noho ny feon’ny vahoaka, tsy voajery…”, hoy izy. Notanisainy fa tsy tanteraka ny tetikasa nataon’ny mpitondra any atsimo. Marary sy diso fanantenana ny vahoaka ka mitady vonjy, araka ny nambarany hatrany. Noraisiny ho ohatra ny depioten’Ikongo manoloana ny olana any aminy. Efa ho tapitra ihany ny fe-potoam-piasana nefa tsy voajery hatramin’izao.
Nanteriny koa fa zava-dehibe ny fitazonana ny teny natao tamin’ny vahoaka. Hitondrana fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka ny politika ary tsy natao ho fahavalo ny mpitondra teo aloha. “Tsy vitan’olon-drery ny fitantanana firenena… “, hoy izy.
Synèse R.