Lokanga sy valiha: Krismasy ho an’ny rehetra

Tonga indray ity ny Noely na Krismasy… Firy taona mitsingerina izay? Fety kristianina, andro fahatsiarovana ny nahaterahan’i Kristy ho Tompo sy Mpamonjy an’izao tontolo izao ho an’izay mino, te hovonjena… Foto-pinoana izay. Tonga olombelona ny zanak’Andriamanitra mba hahatonga ho zanak’Andriamanitra ny olombelona. Hatraiza no hahazoana miaina sy mivelona amin’izany? Eo ny tsirairay mandini-tena ny fiainam-panahiny avy. “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana ianareo na tsia; izahao toetra ny tenanareo”, hoy ny Apostoly Paoly izay.

Nefa tsy fety kristianina fotsiny ny Noely na Krismasy hatramin’izay, fa efa lasa fety an’izao tontolo izao. Izay aza no toa mibahan-toerana kokoa? Andron’ny fandriampahalemana sy fiadanana maneran-tany, fa atsahatra, ohatra, ny ady. Fampahatsiarovana sy famelomana ny fifankatiavana, famitranam-pihavanana… Fanomezana hasina sy tombam-bidy ny hafa ihany koa ny andron’ny Noely na ny Krismasy. Izay no anisan’ny manetsika izay manana ny enti-mihetsika mahatsiaro ny hafa toy ny sahirana, ny zokiolona, ny kamboty, ny ankizy, ny marary, ny voafonja…

Amin’izany, toa zary ifandrombahana na ifaninanana aza ny fizarana fanampiana, famalifaliana, fankaherezana, fitsidihana… Vita indray andro? Be lavitra izay tokony hizarana fanomezana sy fanampiana no ho ny mpanome; eny, na izay tokony homena aza. Tsy vita indray andro ny fahatsiarovana sy fanampiana ny hafa, saingy efa zava-dehibe izay kely omena. Mby amin’ny hoe tantely tapa-bata, ka ny fo no enti-mameno azy? Izay no anisan’ny mahahafa sy mahalehibe ny andro Noely na ny Krismasy… ho an’ny rehetra. Tsy manavaka na anavahana olona fa iombonana sady mampiombona.

Tokony hitondra fiovana eo amin’ny tsirairay izay andro iray toa zato izay amin’izany? Eny, na fahatsiarovana sy fahatsapan-tena ihany aza fa misy ny hafa. Indray mandeha isan-taona ihany, tsaroana sy ankalazaina maneran-tany… Eny, na tsy eo amin’ny fiainam-panahy aza, ohatra, izay fahatsiarovana sy fankalazana, eo amin’ny fiainana maha-olona. Izay no anisan’ny mahatonga ny ankamaroan’ny olona manararaotra amin’ny fitadiavana amin’ny toy izao? Na mpivarotra io, na mpitatitra, na mpanjaitra, na mpibata entana… Hatramin’ny mpanao volo, mpaka sary…

Nefa ny mahavariana amin’izany rehetra izany, saika milaza mandrakariva izay anontaniana isan-taona fa tsy mandeha firy na tsy misy loatra ny asa sy ny tsena, raha miolotra tamin’ny taon-dasa. Hafa ny taloha? Mampanontany tena, mampieritreritra… Mihamikororosy fahana isan-taona ve izany ny fiainam-bahoaka eo amin’ny lafiny fahefa-mividy, ohatra, fa tsy mahasehaka ny fiakaran’ny vidim-piainana tsy misy fitsaharana na tsy voafehy, indrindra tato ho ato izay manoloana ny hoe krizy maneran-tany tsy azo ihodivirana? Na efa mijery lavitra ka tsy mandanilany foana…

Tsy vitan’izany, rehefa vita fety, saika mandeha ho azy koa ny fitaraindrainan’ny maro fa hoe lany vola olona. Hafa na miova be ihany izay atao rehefa afa-pety? Noho izany, tsy mandeha toy ny andavanandro ny asa velon-tena sy ny tsena. Mankaiza avokoa àry ny vola nandritra ny fety? Misy ny manao ampihimamba eo amin’ny sehatra sy ambaratonga misy azy? Na tsy misy ny ndeha hiteny hoe mba nandeha ny asa sy ny tsena nandritra ny fety… Amin’izany, tsy mampitovy ny rehetra indray miaraka ny fety toy izao. Na isam-batan’olona io, na isan-tokantrano, na isam-piarahamonina…

Ny zava-dehibe dia ny fifaliana sy ny fahaiza-mifaly eo amin’izay misy ny tena, amin’izay ananan’ny tena, amin’izay maha-izy azy ny tena… ? Eo ny fiainana araka ny finoana misy sy iainana, miara-dalana ho azy amin’izany ny fifampizarana fifaliana isan-tokantrano, amin’ny fiarahamonina, amin’ny sehatra ahazoana manao izany… Izay no maha zava-dehibe ny fanolorana fanomezana, tsy fombafomba na fisehosehoana fotsiny, sanatria. Mba hitondra inona eo amin’ny tsirairay àry izao Noely na Krismasy izao? Arakaraka izay atao sy iainana tsy mahazatra, tsy fombafomba…

R.Nd.

Partager sur: