Mpivarotra fanafody tsy ara-dalàna : manao fitsirihana ny fanjakana

Manao fitsirihana ireo fivarotam-panafody manerana ny Nosy ny fanjakana. Tsy handefitra amin’ireo mivarotra fanafody tsy nahazoana alalana izy ireo. Tra-tehaka ny fivarotam-panafody iray tao Ampefy.

Nandritra ny fidinana tany Ampefy, distrikan’i Soa­vi­nandriana, Faritra Itasy, ny faran’ny herinandro teo, nanaraha-maso ny tontolon’ny fahasalamana any an-toerana no nahatraran’ny ekipan’ny minisiteran’ny Faha­sala­mam-bahoaka notarihin’ny minisitra Randriamanantany Zely, fivarotam-panafody nivarotra fanafody tsy nahazoana alalana.
Misy ny fanafody fandrindrana ny fiainam-pianakaviana fampiasa amin’ny vehivavy ( Sayana press) izay tsy tokony hisy afa-tsy eny amin’ny tobim-pahasalamana miankina amin’ny fanjakana irery ihany. Maimaimpoana fa tsy vidiam-bola izany eny amin’ireo tobim-pahasalamana.
Nisy toby fivarotam-panafody iray nahitana nivarotra izany Sayana Press izany anefa tany Ampefy. Hentitra ny minisitra nampitandrina ny rehetra ary hampihatra avy hatrany ny sazy ho an’ireo trara mivarotra ireo karazam-panafody tokony hositrahina maimaimpoana eny amin’ny tobim-pahasalamam-bahoaka kanefa hita fa misy mivarotra antsokosoko.
Mivarotra fanafody tsy ara-dalàna ary tsy nahazoana alalana ireny olona ireny. Tokony hitoroka avy hatrany eny amin’ny Sampandraharahan’ny minisitera na any anaty tambajotran-tserasera ireo mahatratra izany manerana ny Nosy manao fanairana sy hahafahana mandray fepetra haingana.
Tokony ho fantatra sy vita petadrindrina eny amin’ny tobim-pahasalamana ny lisitr’ireo karazam-panafody fandrindram-piterahana tokony hositrahina maimaimpoana mba tsy ho lasa fanararaotana ho an’ny sasany.
Manohy ny fanaraha-maso sy ny fitsirihana ireo mpivarotra fanafody izay tsy nahazo alalana manerana an’i Madagasikara ka mampitandrina ireo minia mbola manohy izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Manokatra fanadihadiana mahakasika ity tranga nanaitra tany Ampefy ity ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga.

Tatiana A

Partager sur: