Krismasy… krizy mafy? Saika efa mila hahazatra sy mandeha hoazy izay fitenenana izay. Efa mba misy ny fiovana? Isan-taona, saika tsy mahafa-bela ny fahasahiranana.
Tsy maintsy atrehina ny fety, araka izay tandrify sy zakan’ny isan-tokantrano sy ny tsirairay. Eny, na ny isan-tsehatra aza: sampandraharaha sy orinasa, ambaratongam-pitondrana, fikambanana… Misy amin’izany ny fizarana fanampiana, famalifaliana. Ahoana kosa ny an’ireo diso anjara amin’izany fa tsy mahahenika ny rehetra tsinona izay atao?
Eo ny maha zava-dehibe ny fitoniana mba ao anatin’ny fifaliana sy fifampitsinjovana tokoa ny fety, fa samy manao izay mety. Lehibe sy voalohany amin’izany ny fandriampahalemana. Mba te hanao fety koa ny olon-dratsy ka manararaotra amin’ny toy izao. Miara-dalana ho azy amin’izany koa ny filaminana eo amin’ny vidin-javatra. Tsy lavina, fanararaotana ny fety toy izao. Saingy ndeha hifampihinana an-toerana ve? Andrasana ny fandraisana andraikitra fa tsy fanaperana entana lany daty izao, na fanondrotana ny vidin’entana. Ao anatin’izany ny saram-pitaterana isan-karazany.
Mba tsy hisy ny ambadika politika
Tsy latsak’izany ny fitoniana politika. Hatraiza eo amin’ny fiainan’ny mpanao politika ny hoe fiatoana politika? Indrindra manoloana ny toe-draharaham-pirenena nafanafana ratsy teo… Mba tsy hisy kajikajy na ambadika politika izay atao ao anatin’izao. Na amin’ny fizarana fanomezana fanampiana, na fitsidihana, na famalifaliana… Mba ho tena ahatsiarovana sy iainana fa iray ihany tokoa ny Malagasy. Na eo aza ny tsy fitoviana, tsy natao hampisaraka na hampiady an-toerana. Tsy andron’ny fandriampahalemana sy ny fifankatiavana ve ny Krismasy? Eny, na ny tsy kristianina aza…
Amin’izany, tsy ho tonga na hoentina amina kajikajy sy paipaika politika ny fandehanana am-piangonana. Misy ny mpanao politika zatra izany? Mety mitranga na mandeha ho azy ny toy izany amin’izao ankatoky ny fifidianana izao. Azo adika na misy dikany politika avokoa izay lazaina sy ataon’ny mpanao politika? Na ahoana na ahoana, miandrandra sy mila fitoniana ny vahoaka amin’izao fetin’ny Krismasy izao. Tsy amin’izao ihany aza fa mandavantaona, fa fotoana izao itandremana sy anamafisana an’izany. Miarahaba sy mirary Krismasy sambatra ho an’ny isan-tokantrano, isam-batan’olona…
R.Nd.