Tonga eto Madagasikara ireo fikambanana silamo Ihya avy any Turkie. Fikambanana silamo izay misehatra amin’ny asa sosialy sy fampandrosoana isan-tsokajiny. Hametraka fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy ny fitondram-panjakana Turque izy ireo. Tanjona ny hampandrosoana ny ara-tsosialy eto amin’ny Nosy. “Maro ny asa sosialy sy fampandrosoana ilain’ i Madagasikara. Toy ny sehatry ny fahasalamana, fanabeazana, fampidirana mpianatra, fananganana sekoly, fanampiana ara-tsokajy”, hoy ny filohan’ny fikambanana silamo eto Madagasikara, nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosizato, ny faran’ny herinandro teo. Eo koa ny fanomezana vatsim-pianarana hahafahana mandefa mpianatra hanohy fianarana any Turkie. “Amin’izao fotoana izao, tena hita tokoa fa mandalo fahasahiranana ny firenena rehetra ary anisan’izany i Madagasikara”, hoy hatrany izy. Antony hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Zava-dehibe ho an’i Madagasikara izany, satria tena ilain’ny vahoaka malagasy. Mba ho fanampiana ny fitondram-panjakana eto amin’ny Nosy ihany koa. Andeha ho any Turkie amin’ity taona ity izy ireo hanatanteraka ny fiaraha-miasa nandritra ny dia teto Madagasikara.
Mino