Vatsin’ankohonana : 3 612 ireo tokantrano nisitraka

Tokantrano 2 371 ao amin’ny distrikan’i Mananjary sy tokantrano 1 241 ao amin’ny distrikan’i Farafangana no nisitraka tohana tamin’ny alalan’ny tetikasa Vatsin’Anko­hona­na ny faran’ny herinandro teo.
Nizara mivantana izany ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurélie. Tokony ho laharam-pahamehana amin’ny fampiasana izany vatsy izany ny fampianarana ny ankizy sy ny fampidirana an-dakilasy azy ireo, hoy ny minisitra.
Ankoatra izany ny fanentanana ny hisian’ny fiovam-piainana miabo sy fananana toe-tsaina mivoatra. Manomboka izao dia tokony ho tarigetran’ny mpisitraka ny vatsin’ An­kohonana ny fahatsaram-piainana isan’andro isan’andro.
Tetsy andaniny, namangy ireo mponina traboina tao amin’ny faritra Atsimo Atsi­nanana ihany koa ny minisitra. 62 ireo tokantrano tsy manan-kialofana vokatry ny haintrano tao amin’ny fokontany Morafeno. Nitondra kojakoja hahafahana miarina haingana izy ireo, toy ny vary, menaka, lamba fitafy…
Tsy hadino ireo olona manana toe-tena varira tao an-toerana miisa 57, izay nahazo fanampiana ihany koa. Nampaherezina amin’ny fianarana sy hanana fahadiovana ireo sokajin’olona varira ireo. Ankoatra izany ireo zokiolona sy fikambanam-behivavy izay nahazo tohana hahafahan’izy ireo mitombo hatrany amin’ny asa fivelomany.

Tatiana

Partager sur: