Mihatonga tsikelikely ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina na ny Peace Corps Madagascar hanampy amin’ny asa fanabeazana sy ny fambolena ary ny fahasalamana eto an-toerana. Niampy 9 mianadahy indray izy ireo, ankehitriny.
Mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina (Peace Corps Madagascar) 9 mianadahy indray no nanao fianianana, ny faran’ny herinandro teo, hanatevin-daharana ireo efa am-perinasa ankehitriny. Hiasa mandritra ny roa taona eto Madagasikara izy ireo ary namantatra mialoha ny fomba fiaina amin’ireo faritra hiasany.
Sehatry ny fampianarana avokoa no hirotsahan’izy ireo an-tsehatra. Efa nanaraka fiofanana nandritra ny 11 herinandro ireto mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina ireto. Nianatra ny fampianarana ny taranja teny anglisy sy ny fandrindrana ny kilasy ary ny fifanakalozana ara-kolontsaina sy ny tenim-paritra amin’izay hiasany avy. Tanjona ny hanamorana ny fidirany ao anatin’ny fiarahamonina.
Hampianatra amin’ny Lycée sy ny CEG, amin’ireo faritra 7 eto Madagasikara, izy 9 mianadahy ireto. Hiara-miasa amin’ireo mpampianatra any an-toerana amin’ny famoronana hetsika ivelan’ny fandaharam-pianarana. Tanjona ny hanatsarana ny fahazoan’ny mpianatra ny maha zava-dehibe ny fiarahamonina sy ny andraikitr’izy ireo ao anatin’izany.
Ankoatra azy 9 mianadahy, efa maro ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina manao ny asa fambolena sy fanabeazana ary fahasalamana any ambanivohitra any. Manampy traikefa eny ifotony ary mitondra fampandrosoana ny faritra lalovany ao anatin’ny roa taona.
Hatramin’ny nitsanganan’ny Peace Corps teto Madagasikara, ny taona 1993, mihoatra ny 1 574 ireo mpilatsaka an-tsitrapo nanolotra ny fahaizany sy ny finiavany ho an’ny vahoaka malagasy. Marihina fa efa 30 taona no niasan’ny Peace Corps teto Madagasikara, izay nomarihina tamin’ny taon-dasa izany.
Tatiana A