Ady amin’ny famarinana olona : mitohy ny fampiofanana ireo tomponandraikitra

Manohy ny fampiofanana ireo tomponandraikitra mahakasika ny ady amin’ny famarinana olombelona ny Biraom-pirenena misahana ny ady amin’ny famarinana olona. Teto Antananarivo no nanombohana izany, ny volana aogositra lasa teo. Mpisehatra sosialy mifandray sy misahana akaiky ireo olona tena iharan’ny famarinana miisa 22 no nisitraka izany fiofanana izany. Nahitana ny avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny minisiteran’ny Mponina, ny Polisim-pirenena ary ny kaominina sy ny PFSCE.
Nampahafantarina tamin’izany ny karazana endrika mety hisehoan’ny famarinana olona. Ny anjara andraikitry ny rehetra, satria ady iombonana izany. Nampitaina indrindra koa ny fisorohana ny tsy hisian’izany na mivantana na antsokosoko. Ankoatra ireo, ny anjara andraikitra avy hatrany raha toa ka mahita loza manambana na efa mihatra mihitsy.
Niarahana tamin’ny manam-pahaizana sady mpampiofana iraisam-pirenena momba ny famarinana olombelona ny fiofanana. Iaraha-miasa amin’ny Unodc sy ny departemanta amerikanina.

Tatiana A

Partager sur: