Nifarana omaly, tetsy amin’ny Orange Digital Center Soarano, ny fifaninana nasionaly “Supercodeurs” ao anatin’ny “Ankiz’Innov Vakansy 2024”, andiany faharoa. Hetsika niarahan’ny Orange Solidarité Madagascar niasa tamin’ny Unicef. Nahafahana nanome atrikasa teo amin’ny tontolon’ny teknolojia ho an’ireo ankizy mpianatra eny anivon’ny sekoly niomerika, nanerana ny faritra maro eto amin’ny Nosy. Notolorana loka ireo ankizy nahazo ny laharana telo voalohany tamin’ny fifaninana. Nandrombaka ny fandresena voalohany tamin’izany, Ramilison Iriantsoa Said, avy any Antsirabe. Nisitraka vatsim-pianarana, fitaovam-pianaran ary medaly izy, nandritra izany. Nahazo ny laharana faharoa i Sarobidy Fandresena, avy any Mahajanga. Laharana fahatelo i Jean Rudji Renozara avy any Sambava. Notolorana vatsim-pianarana sy fitaovam-pianarana izy mianadahy ireo. Niompana tamin’ny fanajana ny zon’ny ankizy ny lohahevitra tamin’ny fifaninana. 525 ireo ankizy mpianatra tamin’ny sekoly niomerika miisa 22, nahitana kolejy sy fanabeazana fototra, nandray anjara. 10 ireo tafakatra niatrika ny dingana famarana, omaly, teto Antananarivo.
Mampisokatra ny sain’ny ankizy
“Fifaninanana eo amin’ny tontolon’ny niomerika, hahatonga ny ankizy hilalao sy hisantatra sahady ny fidirana amin’ny niomerikano tena tanjona”, hoy Andrianirina Feno, tale misahana ny teknolojia vaovao eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Ho avy tsy ho ela ny andiany fahatelo amin’ny hetsika, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Mino