Andiany Aina : Polisy 302 nahazo fisondrotana galona

Notontosaina teny amin’ny Toby Contrôleur général de police Razafindrazaka Berthin, Antanimora, omaly, ny lanonana fametrahana galona « Agent de police de premier échelon » ho an’ireo agents de police nivoaka tamin’ny andiany Aina. Miisa 302 mianadahy izy ireo no nahazo izany galona izany. Ny minisitry ny Filaminam-bahoaka (MSP), ny Contrôleur général de police Rakotoarimanana Herilala no nitarika izany, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny minisitera. Nivoaka ny Eniap Antsirabe, ny taona 2022, izy ireo ka nahafeno ny fepetra hisitrahana izao fisondrotana galona izao.

Jean Claude

Partager sur: