Zava-dehibe ny fahafantaran’ny rehetra ireo karazam-panafody maimaimpoana eny amin’ny CSB. Ialana amin’ny fanambakana sy fanararaotana ny mangarahahara momba izany.
Manohy ny fitsirihana atao amin’ireo fivarotam-panafody ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Nampahatsiahy fa voararan’ny lalàna ny fivarotana ireo fanafody maimaimpoana amin’ny fandaharanasan’ny fahasalamana laharam-pahamehana.
Nitanisa ny lisitr’ireo karazam-panafody tsy azo amidy fa tokony ho maimaimpoana eny amin’ny tobim-pahasalamana ny tomponandraikitra ho fampahafantarana ny rehetra, mba tsy ho voafitaka na voambaka. Anisan’izany ireo fanafody ampiasaina amin’ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana toy ny Sayanna Predd, Zinnia F, Microgynon, microlut, triclofem, depo-provera, mirena, avibela, levoplant sy ny jadelle.
Voakasik’ireo ny fanafody ho an’ny zaza
Voakasik’izany koa ireo fanafody ho an’ny zaza tratran’ ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika, toy ny Plumpy nut mifono menamena. Ankoatra ireo ny fanafody iadiana amin’ny aretina tazomoka, manomboka amin’ny TDR palu, artesun ary ny ACT izay mifanaraka amin’ny sokajin-taonany avy.
Tafiditra ao anatin’ireo karazam-panafody tsy azo amidy ihany koa ny fanafody fandraisana an-tanana ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Ireo fanafody itsaboana ny aretina tiberkilaozy, ny vaksiny fanefitry ny haromotana ary iteo vaksiny ho an’ny zaza sy ho an’ny reny bevohoka. Efa nampitandrina ny minisitera ho an’ireo toeram-pivarotana fanafody fa tsy handefitra amin’ireo mbola minia mivarotra izany.
Tatiana A