Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fidiran’ny mpianatra ny eto Madagasikara, amin’izao fotoana izao. Nisitraka tolotra fanampiana, araka izany, ireo mpiasam-panjakana misehatra eo anivon’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina, omaly. Nahitana fitaovam-pianarana kahie 200 sy 100 pejy ho an’ny zanaky ny mpiasa ny tolotra. Ao koa ireo kojakoja madinika ilaina amin’ny fianana andavanandro. Toy ny vary sy menaka iray litatra. «Tsy mahavita inona fa ho tohin’ny fanampiana ho an’ireo mpiasam-panjakana ireo ihany no natao », hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurelie, nandritra ny fotoana nizarana izany. Maro ny mametraka ny tahiry rehetra eo anivon’ny tokantrano any amin’ny fidiran’ny mpianatra rehefa vanim-potoana tahaka izao ka antony anaovana ny fanampiana. Mendrika hisitraka izany koa ny mpiara-miasa mba hahafan’izy ireo misitraka ny fampianaran-jaza. Tanjona ny hanamaivana ny fahasahiranana isam-pianakaviana.
Ankoatra ny fizarana fanampiana, nisy ihany koa ny dinika teo amin’ny minisitra sy ireo mpiasa rehetra. Anisan’ny voaresaka tamin’izany, ny fijerena ny lafiny maha olona ny mpiasa.
Mino