Fampisakafoana an-tsekoly: mpianatra 400 000 fahanan’ny Pam

Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena ny fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam). Amin’ity taom-pianarana 2024-2025 ity, mpianatra miisa 400 000 no hisitraka sakafo mafana an-tsekoly. Avy amin’ny sekoly ambaratonga voalohany miisa 1250 ao amin’ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana ary ny anivon-tany no hanatanterahana izany. Anisan’ny mampirisika ny ankizy handeha hianatra ny fisian’ny sakafo an-tsekoly. Mbola maro ireo ankizy zanaky ny sahirana no tsy misakafo afa-tsy indray mandeha monja ao anatin’ny iray andro. Manampy betsaka azy ireo, araka izany, ny fisian’ny famahanana an-tsekoly. Efa voaporofo rahateo fa mitombo ny fahazotoan’ny mpianatra rehefa voky izy ireo.

Omena fiofanana koa ireo tomponandraikitra
Manome fanofanana ireo tomponandraikitra misahana ny sakafo an-tsekoly ihany koa ny Pam. Tanjona amin’izany ny mba ho sakafo ara-pahasalamana sy madio ary mitondra hery no omena ireo ankizy. Miantoka ny ampahany betsaka amin’ny fifantohan’ny sain’ny mpianatra ny fahampiana ara-tsakafo ka tsy tokony hatao ambanin-javatra. Mate­tika no misy ireo mpianatra torana noho ny hanoanana ka sahirana any am-pianarana.

Tatiana A

Partager sur: