Rajaonarimampianina kandidà: mbola mitana ny fangatahany ny HVM

Hamafisinay eto fa herinandro maromaro izay no efa ny fangatahany ny firotsahan’ny  filoha mpanorina, Rajaonarimampianina Hery, ho kandidà filohan’ny Repoblika. Tsy hiverina amin’izany ny antoko, tsy hiverina amin’izany ny filoha Rajaonarimampianina Hery”, hoy ny filohan’ny HVM, Rakotovao Rivo, ny herinandro teo. Ao anatin’ny fanajana ny rafitra eto amin’ny antoko, tsy maintsy ho avy ny fotoana hanamafisana izany.

Manahirana an-dry zareo ny hoe toy ny olona milavo lefona ny filoha Rajaonarimampianina fa sarotra ary tsy ho resy ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Toy ny fanambaniana vahoaka izany aminay”, hoy izy. Ny vahoaka no mitsara amin’ny fifidianana. Efa mazava sy madio ary eken’ny rehetra io, izay voafidin’ny sitrapon’ny vahoaka eo. Mitovy amin’ny tenenin’ny olona rehetra ihany no tenin’ny filoha Rajaonarimampianina hoe tokony hadio ny fifidianana. Satria tsy io indray no hampikorontana ny Malagasy, fa fomba fandaminana amin’ny tany repoblikanina ny fifidianana.

Mandiso ny vaovao aely izany ary itenenany amin’ny antoko sy ny mpanara-dia azy fa tsy mivily amin’ny lalan-jotra sy ny lalan-tsaina napetrany nanomboka tamin’ny 2019 ry zareo. Ao amin’ny lalan-tsain’ny mpanohitra izy ireo ary miara-miady amin’ireo olona sy antoko maro samihafa miady, indrindra ny amin’ny lalàm-pifidianana. Ny fanadiovana an’izay no takiny, fa tsy fanaovana fitondrana tetezamita.

 

R.Nd.

Partager sur: