Niarahaba ny rehetra, noho izao fetin’ny Noely izao, ny eo anivon’ny FJKM, tamin’ny alalan’ny filohany, ny mpitandrina Andriamahazosoa Irako Ammi. “Mifalia amin’ny krismasy fa aza resin’ny krizy mafy…”, hoy izy. Nanteriny fa tsy hadinon’ Andriamanitra ao anatin’ny olam-piainana mianjady amintsika akory isika, na toy inona na toy inona hamafin’izany. Tsy mamela anao ho irery izy fa eo akaikinao i Jesoa ka antsoy Izy ary mivavaha Aminy, araka ny nambarany. “Nefa mihoatra noho izany. Asao hiditra ao amin’ny fonao sy ny fiainanao Izy, ka na mety ho ratsy sy maimbo toy ny tranon’omby aza ny fonao, tsarovy fa vonona hiditra ao Izy hanova izany ho tempoly Masina”, hoy izy.
Etsy andaniny, mba tsy hotenitenenim-poana ny anaran’i Jesoa amin’izao Noely izao, ka ankalazaina, nefa ny atao hitenenan-dratsy ny Anarany, ny fiainana mampitomany Azy, araka ny nambarany hatrany. Fa mba Izy Tompon’ ny fety anie no ho faly voalohany mahita antsika tena tia Azy marina, tena mino Azy marina, ary mitondra tena mifanaraka amin’izany, dia hiantefa amintsika ny fifaliana tena izy avy Aminy.
Synèse R.