Hafatra Noely avy amin’ny eveka: « Jereo ny fandriampahalemana… »

Niarahaba sy nirary soa ny vahoaka sy ny kristianina ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), tamin’ny alalan’ny filohany, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien. Nambarany ireo olana sy sakana mbola hodinganina, hiadanan’ny rehetra.  

Notsiahiviny anefa ny hafatry ny papa Fransoa, amin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fiadanana sy ny firahalahiana, ny 1 janoary izao ka nilazany fa tsy misy fiadanana sy firahalahiana ary fandriampahalemana raha tsy misy ny fampivoarana ny olona manontolo. “Tsy hisy izany raha tsy mipetraka ny fahamarinana… Tsy hiseho izany raha tsy mivadika ho angady ka hamokatra sy hamelona ny basy, mamono ny fahavalo sy ny mpianakavy ary miparitaka”, hoy izy.

Hijerena ny sehatry ny fanabeazana

Nambaran’ny filohan’ny Fem sady evekan’i Morondava fa miseho amin’ny endriky ny zaza i Jesoa. Niantsoany ny rehetra ny tsy tokony hanaovana antsirambina ny firahalahiana sy ny fiadanana ho an’ny taranaka manaraka. Zava-dehibe ny fanabeazana ny zaza koa aoka ny fahefana amin’ny sehatra rehetra hijery akaiky izany fanabezana ny taranaka izany, araka ny nambarany.

Notsindriny koa fa tokony hampitodika antsika amin’ny hakaton’ny zava-boahary sy ny fiarovana azy ilay Jesoa teraka tao an-tranon’omby.

Nanamafy izany ny arsevekan’Antananarivo, Mgr Razanakolona Odon, nilaza fa fotoana ifalian’ny fianakaviana, indrindra ny ankizy, ny Noely.  Tsaroana koa anefa ireo tsy afaka misitraka izany.

Tsy hiankin-doha amin’ny hafa

Niaiky ny tenany fa tsy hary ho tomombana ny fiainantsika, indrindra ny fahasahiran’ny firenena ka mahatonga ny maro ho very fanahy mbola velona. Nanteriny fa miantraika amin’ny fiainam-pinoana izany ary maro ireo mitaraina amin’ny fiainana andavanandro. “Ahitantsika lalana anefa ny fahaterahan’i Jesoa. Aza variana mijery ny fahoriana mahazo antsika fa mahaiza misikina hery amin’ny finoana hiady amin’ny fiainana. Tsy ho kivy fa hitady fomba ialana amin’ny fiakinan-doha amin’ny hafa…”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: