FANODINAM-bokatra : mila drafitrasa mazava ny indostria

Goavana ny andraikitra miandry ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra mahakasika ny tontolon’ny Indostria eto amintsika. Mila mametraka drafitrasa mazava hanafainganana ny fanatanterahana ny tetikasa ho an’ny sehatry ny Indostria ny minisitera. Tafiditra ao anatin’izay fanampiana izay ny orinasa mpanodim-bokatra ao anatin’ny fotoana fohy. Tanjona ny hialana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Voaresaka ihany koa ireo seha-pamokarana misy eto amintsika sy ny vokatra efa azo amin’izao fotoana izao, nandritra ny fivoriana niarahan’ireo tomponandraikitry ny minisitera sy ny praiminisitra Ntsay Christian.
Notombanana ihany koa ny zotram-panatanterahana ny fametrahana ireo « Zones d’émergence industrielle » (ZEI), toy ny ao Toliara, Taolagnaro, Moramanga, Mangatany Arivonimamo ary Andrakaka Antsiranana. Fantatra fa manampy ny fananganana ny ZEI ny tetikasa PTASO sy PAISF izay vatsin’ny Bad vola. Notsindrian’ny Praiminisitra manokana ny hanafainganana ny fanorenana ny asa. Mila arahi-maso ny modelim-pitantanana ny taninketsa indostrialy, mba hampaharitra ireo orinasa madinika mpanodim-bokatra.

Henintsoa H.

Partager sur: