Auteur/autrice : Adnews

VAOVAO TAMBATRA

Mampitandrina ireo mpandraharaha ara-barotra mba tsy ho alaim-panahy hampakatra amin’ny tsy antony ny vidin’entana eny an-tsena ny minisiteran’ny Varotra sy ny Fanjifana. Manentana ny mpivarotra hametraka ny vidin’entana ho talaky maso, araka izany, ny tomponandraikitra mba hisorohana ny fanararaotana. Nojerena akaiky tamin’izany ny vidin’entana eny amin’ireo mpamongady sy mpaninjara samihafa. […]

Toamasina : Niravona ny disadisa tao amin’ny SMMC

Tsy nanaiky ny fanendrena ny tale jeneraly vaovao, ao amin’ny orinasa SMMC Toa­masina, Hanjatiana Cadet En­dor, nandimby an-dRan­dria­misaina Charles, ny mpiasa, teo aloha teo. Niravona izany, ankehitriny, taorian’ny fanelanelanana nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena (VPan), Fidele Razara Pierre. Resy lahatra amin’ny 65% ny vahaolana noraisina ny mpiasa. Nilaza ny tale […]

SNFI-DD : Paikady hitondra fampandrosoana maharitra

Apetraka ny Paikady nasionaly ho famatsiam-bola hisian’ny fampandrosoana maharitra (SNFI-DD). Karohina ny loharanom-bola rehetra hanatanterahana ny laharam-pahamehana eto an-toerana sy ny tanjon’ny ONU. Natao omaly, ny atrikasa mifantoka amin’ny handrafetana ny Paikady nasionaly ho famatsiam-bola hisian’ny fampandrosoana ma­haritra (SNFI-DD). Miahy azy ny minisiteran’ny Toeka­rena sy ny fitantanambola miaraka amin’ny Rafitry […]

Dokera sady mpanendaka: Lehilahy roa tratra nangalatra tongolo

Nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Avaradrano ny roa lahy tratra nangalatra tongolo iray gony teny Talata Volonondry, ny talata lasa teo. Voasambotry ny zandarimariam-pirenena miasa ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry, ny talata 10 marsa 2026 lasa teo izy ireo. Voarohirohy sy tratra nangalatra entan’olona tongolo iray gony tao an-tsena. Andron’ny tsena […]