Auteur/autrice : Adnews

Sombim-baovao

Lalaon’ny «Francophonie  2023». Ailik’ireo mi­nisitera roa, Kolontsaina sy Fanatanjahatena ny fiantohana ireo mpanao Freestyle amin’ny taranja baolina kitra. Tsy fantatr’izy ireo ny minisitra mpiahy azy ireo. Ma­­rihina fa ny “Jeux de la Francophonie”, atao any Kin­shasha, ny 28 jolay hatramin’ny 6 aogositra ho avy izao. Hery Bastien, mpilalao Barea, nahazo […]

Taorian’ny fanambaran’ny Filoha : namoaka ny lisitr’ireo mpikatroka karate hanao ny JIOI ny federasiona

Nambaran-dRajoelina Andry, filoham-pirenena malagasy fa misy ary afaka mandray tsara ny lalaon’ny Nosy, JIOI 2023, i Madagasikara. Taorian’io, namoaka ny lisitr’ireo mpikatroka, Karateka, hanao ny fifaninanana ny fe­derasiona FKM. “Ataontsi­ka avo folo heny noho ny tany Maurice ny hatsaran’ny lalaon’ny Nosy eto amintsika”, hoy ny filoha Rajoelina Andry, ny alahady […]

« Festival Alefa Parkour »: hiavaka ny andiany faharoa

Hotanterahina ny 21 hatramin’ny 23 jolay izao, etsy amin’ny Parvis Analakely, ny fifaninanam-pirenena Festival “Alefa Parkour”, andiany faharoa. Hiavaka tanteraka ny hetsika amin’ity andiany ity, araka ny fanazavan’ny mpikarakara. Anisan’ny hampiavaka ny amin’ity ohatra, ny salan-taonan’ny mpifaninana, izay hisy ny sokajy zandriny, 8 hatramin’ny 14 taona. Toy ny tamin’ny taon-dasa, […]

Kitra – Lalaon’ny Nosy 2023 : hanao « match amical » amin’i Mayotte sy i Kenya ny Barea

Ho feno tanteraka manomboka anio, ireo mpilalaon’ny Barea, hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy, hiatrika ny lalaon’ny Nosy. Hivondrona miaraka izy ireo ary hanao lalao ara-pirahalahiana maromaro. Ho fanomanana ny lalaon’ny Nosy sy fiatrehana ny andro farany amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2023, hosedraina amin’ny ekipam-pirenena Mahorais sy Keniani­na ny Barean’i Madagasikara, […]