Tontosa omaly tao amin’ ny bataillon d’infanterie Toamasina ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin’ny kaomandy teo aloha, ny Kly Randrianarisona Elizea sy ny kaomandy vaovao, ny Kly Vahinimamy Brice. Nanome toky ny kaomandy vaovao fa hanohy ny ezaka vitan’ny teo aloha. Ny olona no miova fa ny andraikitra kosa mitohy […]
Auteur/autrice : Adnews
Fanitarana ny fiaraha-miasa : hiantsehatra amin’ny fambolena koa ny Croix-rouge
Tsy hijanona amin’ny nahalalana azy hatramin’izay. Tonga eto amintsika manatanteraka iraka ny delegasiona avy amin’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny Croix-Rouge sy Croissant Rouge. Noraisin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, izy ireo, omaly. Nodinihina nandritra ny fihaonana teo amin’ ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny alalan’ny Croix-Rouge Malagasy. Tafiditra […]
Mandritra ny fety : mila mailo amin’ny sakafo
Fotoan’ny hanim-pitoloha ny fetin’ny fahaleovantena ho an’ny tokantrano malagasy. Mikarakara ny karazan-tsakafo ho an’ny ankohonana ao an-trano. Mila mailo anefa amin’ny mety ho fanapoizinana ara-tsakafo noho ny antony maro. Matetika sakafo na rano nidiran’ny otrikaretina na vokatry ny akora simika no mahatonga ny fanapoizinana ara-tsakafo. Tena saropady ny fanapoizinana ara-tsakafo […]
Fahasalamana : fandidiana ihany no vahaolana amin’ny hernie inguinale
Niresaka momba ny hernie inguinale, mpahazo ny zazakely ny profesora Raherison Aristide Romain, mpandidy ankizy ao amin’ny CHU HJRA, araka ny tatitry ny sampandraharaha mampiroborobo ny fahasalamana (DGFS). Fandidiana ihany no vahaolana tsara indrindra amin’ ny fitsaboana ity hernie ity, hoy ny profesora. Tsy mifidy fa na mbola vao amam-bolana […]
Iray volan’ny ankizy : hampahafantarana sy hiarovana ny zony
Nikarakara hetsika fanentanana sy fampahafantarana ny zo sy fiarovana ny ankizy ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly. Natao tetsy amin’ny Graines de Bitume Soanierana ary mbola hotohizana eny amin’ny Centre Manda eny Tsiadana. Tanjona ny hahafahan’ny ankizy misitraka ny zony feno, raha ny fanazavana. “Azo fehezina ao anaty foto-kevi-dehibe 4 ny […]




