Lehilahy tratra namaky trano teny Fenoarivo, distrikan’Atsimondrano, afakomaly. Sarona teny aminy ny entana avy nangalariny, toy ny fitaovana fanamafisam-peo. Natao famotorana, nilaza ho avy eny Namontana ity lehilahy ity, saingy nisafidy hanao ny asa ratsiny teny Fenoarivo. Notanana am-ponja, omaly, ilay lehilahy nahatrarana vola sandoka an-tapitrisany tao amin’ ny kaominina […]
Auteur/autrice : Adnews
Tovolahy roa natao ombay mitady: Samy hita faty tao amin’ny reniranon’Ikopa
Samy hita faty tetsy amin’ ny reniranon’Ikopa, Tanjombato, ny vatana mangatsiakan’ireo tovolahy roa antsoina hoe Tahiry (22 taona) sy Tiavina (25 taona). Tsy hita ny zoma hariva ireto zanak’olom-pirahavavy ireto ary natao ombay mitady nanomboka ny sabotsy teo. Hita faty ny talata hariva tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany […]
HetsikA teny Ambatofotsy: Tora-bato no nahafaty ilay mpitolona
Tsy tifitra fa tora-bato no antony namparatra ilay lehilahy 20 taona, mpitolona nanao fihetsiketsehana teny Ambatofotsy, afakomaly, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena Fip. Naratra mafy noho ny tora-bato ny lohany ka nitarika azy tamin’ny fahafatesany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nezahina novonjena haingana teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha […]
Poa-basy teny Tsiadana : Sergent namono rafozana, nitolo-batana
Namoy ny ainy taorian’ny tifitra nataon’ny vinantolahiny ny ramatoa iray 62 taona teny amin’ny fokontany Tsiadana, boriborintany faha-II, omaly. Nitolo-batana ilay nahavanon-doza. Voan’ny bala teo amin’ny faritry ny masony ankavia, namoy ny ainy, ny renim-pianakaviana iray tao amin‘ny fokontany Tsiadana, boriborintany faharoa, omaly maraina tamin’ny 7 ora sy sasany. Poa-basy […]
Omda : Mpamorona 34 hisitraka fisotroan-dronono
Lanonan’ny mpianakavy no nitranga teny Faravohitra, omaly. Nindrana ny efitrano fanaovam-petin’ny Ekar ny Ofisim-pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na Omda, nentina nandraisana ireo mpamorona, mpikambana. Nampahafantarina nandritra izany fa misy mpamorona vaovao miisa 34 mianadahy hisitraka ny fisotroan-dronono manomboka izao. Ireo mpamorona anatin’ny tontolon’ny zavakanto, mpikambana feno eo anivon’ny Omda, […]





