Notanterahina teny Ivandry, omaly, ny atrikasa fifanakalozana traikefa miaraka amin’ny firenena efatra ahitana an’i Zambie, Malawi, Burundi, Seychelles ary isika mpampiantrano amin’ny alalan’ny BNGRC Hizara traikefa momba ny fitantanana ny «Programme repair» iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena, ny mpivory. Drafitra iray hoentina miatrika ny loza voajanahary izany, izay misy famatsiam-bola. «Miantefa amin’ny […]
Auteur/autrice : Adnews
VAOVAO TAMBATRA
Tsy azo ekena ny gaboraraka eny amin’ny toby Amoronakona fa tsy toy ny teny amin’ny Fasan’ny Karana. Nohamafisin’ny minisiteran’ny Fitaterana, omaly, fa ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fiarovana. Tsy azo asiana mpivarotra amoron-dalana, mpanera eny an-toerana. Tsy azo asiana trano hazo sy fivarotan-toaka ary tranon-dopy. Tsy manala ny mpivarotra […]
Fanaovan-gazety : Voizin’ny News 24-7 ny niomerika
Tsy mitsahatra mivoatra ny tontolon’ny niomerika. Ampiasaina sy miantraika amin’ny fiainana ankapobeny mihitsy, toy ny ara-toekarena, ara-panabeazana, ara-pitsaboana, ara-tafika, sns. Voakasik’izany mivantana ihany koa ny tontolon’ny serasera, toy ny fanaovan-gazety sy ny fampitam-baovao. Niaiky izany, omaly, i Johary Ravaojanahary, tale jeneraly, fampahalalam-baovao niomerika, ny News 24-7, raha Vaovao 24-7 no […]
Mobile Money : Mijoro ny Task Force
Manamora ny andavanandron’ny Malagasy, ankehitriny, ny fandoavam-bola Mobile Money, ifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday. Maro anefa ny olana sy ny fitarainan’ny mpanjifa, indrindra ny fahaverezam-bola, ny tsy fahatomombanan’ny fifanakalozana, ny fahataran’ny famahana ny olana mitranga. Manoloana, izany, najoro ny vaomiera manokana, « Task Force » hampivondrona ireo rafitra voakasika rehetra, sady hanamafisana ny […]
Ambatofinandrahana : Nihena ho 414 ha sisa ny velaran-tany ambolena orge
Tsy mitsahatra mihena ny velaran-tany ambolen’ny tantsaha ny orge any Ambatofinandrahana, noho ny tsy fahafahan’ny mpandray ny vokatra mividy azy. Manampy trotraka ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro. Kivy ny tantsaha toa an-dRazafimahatratra Florent, mpamboly orge any Ambatomainty, fokontany Vinany, distrika Ambatofinandrahana. Nambarany fa : «tena loharanom-bola iankinan’ny ankohonana mihitsy ny fambolena ity zavamaniry […]





