Auteur/autrice : Adnews

« Smooth Night » andiany faha-20 : Hamerina ny hiran’i Mariah Carey ry Yrinaf

12 taona, hiditra amin’ny seho faha-20. Efa mitoetra ho anisan’ireo hetsika mametraka tantara ny « Smooth Night”. Mitohy hatrany, ka hotontosaina ny 2 oktobra ho avy izao, ny andiany faha-20 etsy amin’ ny Ibis Hôtel Ankoron­drano, manomboka amin’ny 8 ora sy fahefany alina. Hiavaka kely, satria hamerina sy ha­melona ireo sangasan’i […]

Handball – Afrika « Cadets » : Resin’i Algeria i Madagasikara

“Vao manomboka dia resy!” Ratsy ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy Akio tamin’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Can 2026”, taranja handball, sokajy “Cadets”, sokajy lehilahy ity. Fihaonana tontosaina any Côte d’Ivoire, nanomboka omaly hatramin’ny 22 septambra. Resin’i Algeria, tamin’ny isa 36 no ho 15, ny Malagasy nandritra ny andro voalohan’ny […]

Basikety – “FIBA 3 X 3”, U23 World Cup: Indroa resy ny Ankoay

Faharesena indroa no nisantaran’ny Ankoay ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja basikety lalaovina olona telo, sokajy U23, vehivavy. Faharesena tsy niady ny iray tamin’izany. Noho ny tsy fahatongavana ara-potoana ny anton’izany. Mbola hiatrika lalao roa hafa izy ireo, rahampitso alakamisy. Ratsy fiditra ny Ankoay teo amin’ny fiadiana ny ho […]

Oniversiten’i Fianarantsoa : Miofana any Etazonia ny mpitarika

Voafantina handray anjara amin’ny International Visitor Leadership Program (IVLP), hifantoka amin’ny fiaraha-miasa stratejika amin’ny oniversite any Etazonia, i Hajalalaina Aimé Richard, filohan’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Hitsidika oniversite maro ao anatin’ny telo herinandro ny tenany, toy ny any Washington D.C Baltimore, Maryland; Kalamazoo, Michigan; East Lansing, Michigan; Iowa City, Iowa ary New […]

Vatsin’ankohonana sy Fiavota ao Vohipeno: 3 000 ireo mpisitraka lasa mpandray andraikitra

Fanamafisana ny fidiram-bola sy ny faharetan’ireo anko­­honana marefo ao Vohipeno ny tetikasan’ny fanjakana Vatsin’ankohonana, izay arindran’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina ary tanterahin’ny Fid, tohanan’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Mikendry ny hanatsara ny fari-piainan’ny mponina, hampitombo ny fidiram-bola ary hanamafy ny fahafahan’ireo ankohonana miatrika ireo loza sy krizy mety hitranga ny […]